♦ Tsy ahiana aloha ny hiverenan'ny rivo-doza Cheneso. Na izany aza, hivoatra any amin'ny maherin'ny 100km miala ny morontsiraka izy ato anatin'ny 3 andro manaraka... ♦ Efa fantatra sy vonona avokoa ny toerana handraisana ny tra-boina ho an'ny eto Antananarivo. Raha tsy misy moa ny toerana handraisana azy ireny, dia efa vonona ihany koa ny tranolay hapetraka amin'ny fotoana ilàna izany... ♦ Efa mijery ny RN4 ny ministry ny Asa Vaventy, mijery ny hanamboarana ireo lalana tapaka, mihazo an'i Mahajanga. Efa tonga any amin'ireo toerana hiasaàna ny fitaovana sy ny milina hanamboarana ny RN34 mampitohy an'Antsirabe sy Malaimbady... ♦ 49% amin'ireo fanavaozana miisa 31 ao amin'ny fadin-tseranana Malagasy no vita...

Manana adidy hanabe sy hanomana ny zanaka mba hatratra ny tanjona kasainy, ny mpivady. Mila mihomana mialoha ny mpivady, izany hoe mandalo fifampidinihana vao tokony hiroso amin'ny fiterahana. Misy akony amin'ny fitaizana ilay zanaka ny antony hiterahana : Faniriana, na noho ny tosiky ny fiaraha-monina. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Olona miisa 7 no namoy ny ainy, vokatry ny rivo-doza Cheneso, ary olona 13 isa no tsy hita popoka, raha ny tatitra navoakan'ny BNGRC, omaly tamin'ny 8 ora alina... ♦ 200 taona ny fadin-tseranana Malagasy. Homarihina miaraka amin'ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fadin-tseranana izany rahampitso alakamisy 26 janoary 2023... ♦ Vita ihany ny fifidianana izay ho mpikamban'ny filan-kevim-pitantanan'ny OMDA, ho an'ny mpanakanto amin'ny mozika. Nialohavana savorovoro teo amin'ireo mpanakanto izany...

Mahasolo ny adidy atao any am-piangonana ve ny fanomezana atao?. Mety havaly azy ireto satria ny Fiangonana Fianakaviana : tsy association caritatif mpandray fanomezana fa miara-miaina, miara-mankalaza. Fiangonana Fiombonana : Misy Fiaraha-mientana ilaina ny isam-batan'olona. Fiangonana Iraka : Manana iraka atao. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...