Talata 13 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32

Mariky ny fanantenana ny fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy. Manampy antsika izy hahazo ahoana ny tsy maintsy fitondrantenantsika manoloana ny olona miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA. Tsy azontsika atao ny manilika na ny mampizaka azy ireo fitondrana tsy araka ny maha-olombelona na ny fanilihana. Tsy maintsy mikarakara azy ireo isika. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara sy ny Radio Don Bosco.

♦ Hanatrika ny fihaonana an-tampony eo amin'i Etazonia sy ireo mpitondra fanjakana afrikana, na ny Sommet US-Africa 2022, ny delegasiôna malagasy tarihin'ny Filoham-pirenena... ♦ Handefa iraka manokana eto Madagasikara ny Vondrona Afrikana, hanombana ny firosoantsika amin'ny fifidianana amin'ny taona ho avy... ♦ Mitombo isa ny mpanara-maso ny masomboly voafantina eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Nanao fihanianana izy ireo, ny tolakandro teo...

♦ Mifarana ny 31 janoary 2023 ny fisoratana anarana eto Madagasikara ho an'ireo handray anjara amin'ny JMJ Lisbonne 2023... ♦ Nodimandry teo amin'ny fahadimy taona naha pretra azy i P. Francisco Andrianjaka, Pretran'ny Diosezin'Antsiranana... ♦ Nitsodrano ireo sariolona maneho an'i Jesoa Zazakely nentin'ireo ankizy teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera, ny Papa François omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...