♦ Mihaona amin'ny Loholona eny amin'ny lapa maitson'Anosikely indray androany ireo mpikambana ao amin'ny governemanta taorian'ny fihaonana tamin'ny solombavambahoaka nandritra ny roa andro... ♦ Mitotongana hatrany amin'ny 20.000 Ariary ny vidin'ny iray kilao amin'ny lavanila maitso any amin'ny distrikan'i Mandritsara... ♦ Hifarana anio ny fanamarihana ny iray volan'ny teny malagasy tamin'ity taona 2022 ity. Maro ny hetsika nanamarihana izany... ♦ Misedra olana amin'ny famatsiana herinaratra ny atsy Afrika atsimo. Zara raha misy adiny enina isan'andro ny fandehanan'ny jiro nanomboka ny talata...

♦ Nifarana androany tamin'ny 3ora maraina ny fihaonana teo amin'ny antenimieram-pirenena sy ny mpikambana ao amin'ny governemanta. Ny loholona indray no handray azy ireo amin'ity anio ity... ♦ Nitrangàna fanafihana niampy fanolanana renim-pianakaviana niafara tamin'ny fahafatesana tao Ambohibary-Ambohimanga distrika Miarinarivo... ♦ Niverina nitokona indray noho ny tsy fandraisana karama ny mpandraharaha eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Miisa 4,7 tapitrisa ny mponina voakasika ny tondra-drano any amin'ny faritra Assam any Inde...

Mila ny fiainam-piaraha-monina ny olombelona, efa voajanahary izany. Eo amin'ny fiainam-piaraha-monina no hahitana ny fifampizarana amin'ny hafa, fifanampiana amin'ny asa ary ny fifanankalozan-kevitra. Ny sehatra ahafahana mampivelatra ny talenta dia ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 30 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...