♦ Niampy olona 02 isa, ankehitriny ny isan'ireo olona nosamborin'ny kaompania Imerina Central noho ilay fanafihana nahafatesana olona 32 tany Ankazobe tamin'ny zoma alina teo... ♦ Tokony tsy hividy ilay vary simba ny mpanjifa ao Toamasina raha misy mahita izany eny an-tsena, ary hampandre ihany koa ny tompon'andraikitra ahafahana manala izany eny amin'ny tsena. Efa any an-toerana ny ekipan'ny ministeran'ny varotra mampihatra ny fepetra noraisina... ♦ Tsy nahomby ny nampiasàna ilay tetim-pivoaran'ny fanabeazana na ny PSE natomboka ny taona 2018 ary hifarana ny taona 2023 izao hoy ny ministry ny fanabeazam-pirenena...
♦ Nifarana omaly ny fivorian'ny SCEAM na ny fikaonandohan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara, izay natao any Akra, renivohitr'i Ghana. Nisolo tena ny fivondronamben'ny Eveka Malagasy i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, arsevekan'Antsiranana... ♦ Ho fanatsarana sy fanavaozana ny rafim-pampianarana eto Madagasikara, tena hitondra fandrosoana sy hifanaraka amin'ny vaninandro ankehitriny dia hitohy anio etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandoham-pirenena tanterahin'ny ministera telo tonta voakasiky ny resaka fampianarana, fanabeazana ary fampiofanana... ♦Mila vahana haingana ny olana mahatonga ny fitokonan'ny mpiasn'ny FCE, ka nitarika ny tsy fisian'ny fitanterana an-dalamby mihazo an'i Manakara...
02 aogositra — Teraka tao Paris ny 12 aogositra 1858 i Auguste, Polonais ny rainy, Władysław no anarany, printsy izy io, ary ny reniny kosa Espagnole, Maria Amparo no anarany, zanaky ny mpanjakavavin’i Espagne Maria Christina.
Masina ny fanambadiana fa tsy kilalao. Manana ny hajany ambony loatra ka mendrika, tsy natao hosihosena amin'ny tany. Hoy ny Soratra Masina hoe : Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian'ny mpivady, fa hoheloin'Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona. katesizy momba ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco