Tompon'andraikitra isika rehetra amin'ny fandaminana sy fahazoana fifidianana tsara rindra. Amin'ny alalan'ny fametrahana soatoavina mira fahamarinana no hitondra fahitsiana bebe kokoa ho an'ny fifidianana sy ny demokrasia. Ny fahitsian'ny fifidianana no hanampy anatin'ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana ary hitondra antsika rehetra ho amin'ny tena fampandrosoana maharitra.

♦ Nitaky ny hanaovana fivoriana mikaton-trano handinihana ny raharaha anatin'ny Antenimieram-pirenena sy ny raharaham-pirenena ny Solombavam-bahoaka tsy miankina sy ny mpanohitra. Na dia maro an'isa aza, tsy nahatratra ny fetr'isa ilaina izy ireo... ♦ Tanora 50 mianadahy nahavita fandrafetana lafim-panofanana ho an'ireo mpisehatra amin'ny asa tanana omaly, no notolarana mari-pahavitam-piofanana tety amin'ny foiben'ny Tranoben'ny Asa Don Bosco Ivato...

Rariny raha mankamamy ny fahafahana ary mikatsaka azy amin'ny fony tokoa ny olombelona satria ilay hasina maha-olona mihitsy no mitaky izany. Ny fahafahako dia mijanona rehefa manomboka ny fahafahan'ny hafa. Hoy ny Pape Joany Paoly faharoa hoe :  miriaria anaty fahafahana tsy hita noanoa ny olombelona satria afa-mihinana amin'ny hazo rehetra ao antin'ny saha. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Zoma 6 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 53-60

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...