♦ Nohadihadian'ny Bianco omaly Andriamatoa Rivo Rakotovao, filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha. Nambarany fa tsy azo lavina ny fanenjehana ara-politika amin'izao raharaha izao... ♦ Nisehoana fitsaram-bahoaka teny Sabotsy-Namehana omaly. Fiara roa no nodoran'ny fokonolona, vokatry ny hatezeran'izy ireo, tamin'ny lehilahy iray nampijalijaly sy namono zazalahikely, 11 taona... ♦ Mivoatra ny fanadihadiana momba ilay fiparitahana zava-mahadomelina tany Toamasina. Andrasana ny valin'ny fanadihadiana amin'ny fifandraisan'izany amin'ny tranga fakàna an-keriny tovovavy, tato ho ato... ♦ Tsy mitsaha-miakatra ny vidin-tsolika any Frantsa amin'izao, meherin'ny 2,07 Euro ny litatry ny gazoala any an-toerana...

Ny tena marina dia matetika isika no tsy mifampiresaka ao anatin'ny fifanakalozan-kevitra. Andrasantsika fotsiny ny hahataperan'ny fandraisam-pitenenan'ny hafa hampidirantsika ny hevitsika. Amin'ny tranga toy izany, araka ny voalazan'ny filôzôfa Abraham Kaplan hoe : ny ady hevitra dia lasa resaka roa, olona roa miresaka zavatra roa amin'ny feo roa. Ny fihainoana no singa ilaina voalohany amin'ny fifampiresahana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Talata 14 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48

♦ Mbola tsy nisy aloha hatramin'izao ireo olona voasambotra sy voaporofo fa voasaringotra tamin'ireo tranga fakana an-keriny tovovavy tato ho ato... ♦ Nohainoina tetsy amin'ny Bianco Ambohibao androany Andriamatoa Rakotovao Rivo. Nambarany fa tsy voafaritra mazava izay mpitory azy... ♦ Efa tokony hiomana amin'ny andiany manaraka amin'ny valan'aretina Covid19 ny tsirairay, hoy ny Mpitsabo nanaovana fanadihadiana... ♦ Hita tsy lavitra ny tranon'ny olona ahiahiana ho tompon'antoka tamin'ny tsy fahitàna ilay britanika mpanao gazety, ilay teratany breziliana tsy hita niaraka taminy, ny kitapo sy ny fitafian'izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...