♦ Tsy ho isan'ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy intsony i Abel Anicet Andrianantenaina. Anio no hiainga ho any Ghana ny delegasion'ny Barea avy eto Madagasikara sy ireo mpilalao avy any La Réunion... ♦ Ho ataon'ny fanjakàna laharam-pahamehana ny fanovàna ny rafitra ara-tsakafo manaraka ny fenitra sy ny rafi-pamokarana ho an'ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra eto Madagasikara... ♦ Mihanaka koa ankehitriny ny zava-mahadomelina "héroine" ka anisan'ny lasibatra amin'izany ny ankizy 13 taona, hoy ny ivon-toerana Aro-Aina...
Fahefana nomen'Andriamanitra ireo mandray ny tso-dranony ny fanohizana ny asa fahariana ny aina. Na dia mafy aza ny mety ho diavin'ny olona eto amin'ity tany ity dia ataony izay fomba rehetra hitandrovana ny aina. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Sabotsy 28 mey 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 23b-28
♦ Ho fanomanana ny fampirantiana iraisam-pirenena lehibe hatao any Arabie Saoudite amin'ny taona 2030, dia noraisin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana androany, ny delegasiona saodiana notarihan'Andriamatoa Ahmad Bin Abdul Aziz Kattan... ♦ Hotanterahana ny 16 sy 17 jona 2022, ny fikaonan-doha nasionaly ho fanatsarana ny fambolena sy ny famokarana eto Madagasikara, ka natao androany ny fihaonam-be tatitra, ho famolavolana sy fametrahana ny drafi-pampandrosoana izay seha-pamokarana izay...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco