♦ Hiakatra fitsaràna amin'ny faraparan'ity volana mey ity ny raharaha fanondranana volamena 73 kilao mahery sarona tatsy Afrika atsimo. Vita avokoa ny fanadihadiana. Didim-pitsaràna sisa andrasana hoy ny PAC... ♦ Niravina ny disadisa teo amin'ny mpianatra avy any Ihosy sy Manandriana Faritra Amoron'i Mania mandrato fianarana ao amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa ny alatsinainy 02 mey teo... ♦ Zana-kazo hatrany amin'ny 300.000 isa no hovokarin'ny Foibe Fafiala ao amin'ny distrika Bealanana ho fiarovana ny tontolo iainana. Kaominina roa no hiasana amin'ity taona ity...

Ny fahavanonana dia manosika ny olona hanao zavatra tsara, milamina, mirindra mba hiteraka vokatra tsara. Ny fampandrosoana dia tsy feno ary mety tsy hisy mihitsy raha toa ka tsy eo ny "fahavanonana".  Ny fifankahalana, ny risoriso, ny tsy fifampitokisana dia sakafo ratsy omentsika ny fo ary taratry ny tsy fisian'ny fahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Tsy mamaha olana amin'ny fahefa-mividin'ny malagasy ny fampiakarana ny karama hoy ny Otrik'afo. Ampahan'olona vitsy mantsy no misitraka izany kanefa ny malagasy iray manontolo no miaina ny fisondrotry ny vidim-piainana... ♦ Mitaky ny hanomezan-danja ny tolo-keviny ny kôperativa sy ny fikambanana mpamboly lavanila any Sava. Mitotongana hatrany ny fari-piainan'izy ireo tao anatin'ny telo taona izao... ♦ Hanohana ny ekipam-pirenena vehivavy ho an'ny Rugby lalaovin'ny olona fito manomboka izao ny fitondrana rehefa nahazo ny tapakila hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany atao atsy Afrika-atsimo... 

Tsy misy fahafahana tsy misy lalàna, raha tsy izany dia tsy fahafahana fa baranahiny. Ohatra ny fahafahana maneho hevitra na ny fahafahana mivavaka. Ny ao ambadiky ny  fahafahana dia ny safidy sy fahaiza-mandanjalanja. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...