Alarobia 9 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 29-32
♦ Niditra an-tanety androany maraina ilay rivodoza Gombe, niforona tatsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Hivoaka an-dranomasina izy anio alina... ♦ Ambohim-pihaonan'ny vehivavy avy amin'ny lafivalon'ny nosy ny tao Antsirabe androany. Nampiantrano ny fanamarihana ny ôfisialy ny andron'ny 8 marsany renivohitr'i Vakinankaratra... ♦ Tsy azon'i Madagasikara atao ny manakana ireo mpandeha mandray ny sidina iraisam-pirenena, tsy hitondra valise misy kodiarana sy ordinateur, hoy ny Minisitry ny fizahan-tany...
♦ Manakoako manerana ny nosy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy. Ho ampiitomboina ny teti-bolam-panjakana hanampiana ny vehivavy hoy ny tompon'andraikim-panjakana tao Antsirabe... ♦ Tany aminny distrika Maroantsetra no nisy ilay rivodoza Gombé tamin'ny 10 ora maraina teo. Hihena miandalana ny heriny hoy ny Météo... ♦ Nankatoavin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ny fivoahan'ny famatsiam-bola 67,5 tapitrisa dôlara ho an'ny firenena malagasy, tafiditra anatin'ny FEC, ho fanarenana ny toe-karena taorian'ny krizin'ny Covid...
Mikasika : entina hilazana zavatra miantefa mivantana. Mahakasika : entina hilazana zavatra miantefa ankolaka. Momba : mifanakaiky hevitra amin'ny hoe mikasika fa mivelatra kokoa ny hevitry ny hoe momba. "Samihafa" no hampiasaina rehefa misy fitanisana karazana fa "samy hafa" kosa raha toa ka manao fampitahana. Ny voambolana " tahaka - noho - araka - momba " dia tsy miova naoviana rehefa soratrana. "Anio" fiteny rehefa hiresaka ny ho avy, "androany" miteny izay efa lasa.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco