Ny lahabolana dia zava-kanto ventesina am-bava efa nisy teto Madagasikara talohan'ny nahatongavan'ny soratra. Ny lahabolana dia misy isan-karazany na isam-paritra na isam-poko, ohatra : toakatoaka, jijy, saova, sokela. Ny lahateny dia teny maro harindra, natao na hovoizana loha-hevitra iray ary arindra anaraka rafitra. Ny lahabolana na efa misy noraiketina an-tsoratra aza dia mijanona ho lahabolana hatrany, ny ankoatra izay dia literatiora.

♦ Hampakarina ny karaman'ny mpiasam-panjakana, hodinihina miaraka ny an'ny sehatra tsy miankina, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nampiomana ny rehetra izy amin'ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika... ♦ Tombànana hiditra an-tanety anio any Toliara ilay rivo-doza Jasmine. 100km/ora ny rivotra miaraka aminy, araka ny filazàna avy amin'ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro... ♦ Miantso ny hisian'ny marimaritra iraisana eo amin'ny Seces sy ny HCC ny ministry ny fampianarana ambaratonga ambony, manoloana ilay fiatoan'ny fampianarana eny anivon'ny Anjerimanotolo, nihatra nanomboka omaly...

Ny fiangonana dia misehatra amin'ny lafiny serasera, amin'ny alalan'ny gazety, boky, sy ny onjam-peo, ary fitaovana ireny hanohizana ny fanabeazana. Ny fiangonana dia miezaka mampiasa ireo fitaovana misy mba hampielezana ny finoana sy ho fampandrosoana ny firenena ary ny maha-olona. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Talata 26 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 7b-15

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...