Antsoin'Andriamanitra hadio ny relijiozy, noho ny fanarahan-dia an'i Kristy. Fanahafana an'i Kristy nisafidy ny hadio no antony iainan'ny relijiozy ny voadin'ny fahadiovana. Hoy ny voalaza ao amin'ny Matio 19, 12 : ary misy olona tsy manam-bady an-tsitrapo noho ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Zoma 25 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 1-12
♦ Tsy avela hitoka-monina intsony ny Distrikan'i Marolambo, fa tsy maintsy hampandrosina amin'izay, hoy ny Filohan'ny Repoblika androany... ♦ Samy nandrava ny Faritra Ihorombe avokoa na ny rivodoza Batsirai na i Emnati ka nampitondra takaitra ireo Distrika telo mandrafitra azy... ♦ Nifarana androany ny fivoriana iraisam-pirenena nifanakalozan-kevitra ny hanaovana asa mivaingana, hikendrena ny hamerenana amin'ny laoniny ny lafiny maha olona maneran-tany, ao aorian'ny valan'aretina Covid-19...
♦ Homarihana amin'ny Faritra 23 eto amin'ny nosy ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana nataon'ireo malagasy tia tanindrazana tamin'ny 29 marsa 1947, hiavaka ny fanamarihana ho an'ny eto Antananarivo, Manakara, Moramanga... ♦ Nisavorovoro ny tany Antokazo, 30 km miala an'Ambatondrazaka omaly, Nikasa hamaly faty hanaovana fitsaram-bahoaka, ireo voarohirohy ho namono ilay zazavavy 10 taona ny mponina... ♦ Nisy fihatoana ny famoahana fanamarinam-pahaterahana tao amin'ny boriborin-tany voalohany ny talata lasa teo...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco