♦ Tanterahina anio maraina eny amin'ny Ekar Antanimena ny "Messe chrismale" ho an'ny Arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Notanterahana omaly teny Andraharo ny dinika savaranonando, nandraisan'ny antoko politika ivelan'ny fitondrana sy ny fiaraha-monim-pirenena anjara nanomanana ny fikaonan-doham-pirenena. Ampy tsara hoy ireo mpandray anjara ny 18 volana hanitsiana ny lesoka amin'ny fifidianana... ♦ Marin-toerana sy manaja ny fetra napetraky ny fitondram-panjakana ny vidin'ny entana teny amin'ny mpaninjara, raha nidina tampoka nijery ny zava-nisy teny an-tsena ny ministry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana...
Kristy tsy manilika fa ny olona no manava-tena. Ao amin'i Jesoa Kristy irery ihany no misy antoka ho amin'ny fahafaham-po. Apetraho ho loha-laharana amin'ny zavatra rehetra Andriamanitra, katsaho aloha ny fanjakany dia hanampy anao izy. Ialao ny fialonana sy ny fitsiriritana fa meteza halala-tanana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alarobia 13 aprily 2022 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 26, 14-25
♦ Notanterahana androany teny Andraharo, ny dinika savaranonando nandraisan'ny antoko pôlitika ivelan'ny fitondrana sy ny fiarahamonim-pirenena anjara, hanomanana ny fikaonan-doham-pirenena. Ampy tsara, hoy ireo mpnadray anjara, ny 18 volana hanitsiana ny lesoka amin'ny fifidianana... ♦ Nidina teny amin'ny tsenan'i Mahamasina sy Anosibe androany, nijery ny vidin'entana ilaina amin'ny fiainana andavanandro, ny Minisitra Edgard Razafindrahahy sy ny mpiara-miasa aminy. Mari-toerana ny vidin'entana, izay no tsoa-kevitra nandritra izany...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco