Tamin'ny faha 21 marsa teo no fanamarihana ny andro maneran-tany ho fampahafantarana ny "trisomie-21" ka ny loha-hevitra tamin'izany dia ny hoe : Mahefa izahay. Ny hoe "izahay" eto dia : ny olona manana ny toe-batana "trisomie", ny fianankaviany ary ny fiaraha-monina. Ny "trisomie" dia tsy aretina, fa toe-batana, vokatry ny fitombon'ny isan'ny "chromosome n°21". Ny fambarana : malefaka ny hozatra, malemy ny tonon-taolana, misy fahatarana ny fiasan'ny saina...
♦ Nisy omaly ny fotoam-bavaka, nivavahana hisian'ny fandriam-pahalemana any Russie sy Ukraine, nokarakarain'ny diôsezy Antananarivo. Nanatrika izany ireo masoivoho vahiny miasa eto amintsika... ♦ Niresaka mivantana tamin'ny Filoham-pirenena ny filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, momba ny zava-nisy tany Mahabo... ♦ Hasongadina amin'ny fahatsiarovana ny tolo-panafahana 1947 amin'ity taona ity ny fampandraisana anjara ny ankizy, natomboka tetsy amin'ny RM1...
Ao am-pon'ny Papa François i Madagasikara matoa izy tonga taty, porofo izany fa manana raiamandreny mpiahy isika. Manaja sy mankato an'ny Papa Fransçois ny Malagasy matoa nanasa azy hanao fitsidihana teto amin'ny nosy. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Sabotsy 26 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 9-14
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco