Alarobia 2 febroary 2022 — Ny nanolorana ny Tompo — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-40
♦ Mampitandrina ny mponina amin'ny faritra rehetra izay mety handalovan'ny rivodoza Batsirai, ny BNGRC, fa hahery vaika ity rivodoza ity ka mety hitondra takaitra betsaka, ho antsika eto Madagasikara... ♦ Olona 500 no nisantarana ny fizarana Vatsy Tsinjo, tany Toamasina androany. Maniry mafy ny mba hanomezana fanampiana azy ireo ihany koa ireo olona marefo sy manana fahasembanana, any an-toerana... ♦ Miroso hatrany ny fanomanana ny JMJ Mada faha-10, izay hotanterahana any Antsirabe...
♦ Hamaritra ny toetry ny andro eto Madagasikara manomboka amin'ny zoma izao ilay rivodoza Batsirai... ♦ Hanomboka amin'ny zoma izao ny fizarana karatra andiany voalohany ho an'ny mpanao gazety, hoy ny OJM. Mbola hisy ny famoahana karatra andiany faharoa ho an'ireo maniry ny hisitraka izany... ♦ Tany mirefy 1.700 ha izay nohajarian'ny olona an'aliny no lasan'olon-tokona any Ankonabe, kaominina Analavory-Miarinarivo...
♦ Nodidin'ny fitsarana sazy mihantona enim-bolana niampy fandoavana lamandy i Mahery Lanto Manandafy. Tsy afa-bela fa mbola voaantso eny amin'ny zandary eny Fiadanana anio... ♦ Tany amin'ny 1.473km atsinanana somary avaratra, atsinanan'i Sainte Marie omaly tamin'ny 3 ora ny foiben'ny rivodoza Batsirai, efa nisy ireo distrika nahazo filazàna fanairana... ♦ Nosantarin'ny filohan'ny repoblika omaly ny fizarana vatsy tsinjo ho an'ireo mponina nahazo ny karatra moderina...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco