♦ Tsy misy ahiana ny lisi-pifidianana very tany Maintirano, hoy ny teo anivon'ny CENI Foibe. Mbola lisitra vonjy maika mantsy izy iny... ♦ Tsara ny fifandraisana ara-tafika eo amin'i Madagasikara sy i Lafrantsa ary hotohizina hatrany izany. Eto amintsika ny Talen'ny Fitantanana ary ny fiaraha-miasa momba ny filaminana sy ny fiarovana anatiny eo anivon'ny raharaham-bahiny frantsay...

♦ Nanatanteraka sit-in nanoloana ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, androany, ireo ampahany amin'ireo mpiasa misahana ny fampidirana ny laza adina Cepe sy Bepc noho ny tsy fandraisana karama... ♦ Tsy handefitra amin'ireo mikasa hanao amboletra hampihatra fahefana  eo am-pelatanany , hidirana ho mpampianatra mpikaroka sy mpandraharaha eny amin'ny oniversite sy ny Seces... ♦ Tsy voafehin'ny ministera tompon'andraikitra ny vidin'ny PPN, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...

♦ Mbola voatazona ny fitakian'ny sendikan'ny Seces amin'ny fanesorana ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Tsy mitovy hevitra ireo fikambanana miaro ny mpanjifa amin'ny hetsika hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanjifa rahampitso... ♦ Nisafidy ny hanampy ny Ankany fitaizana zaza kamboty any Ambohimpiadanana-Anjomakely kosa ny vehivavy katôlika eto amin'ny diôsezin'Antananarivo ho fankalazana ny andron'ny zon'ny vehivavy...

Aza sasatra manao ny tsara amin'ny namantsika amin'ny asa fitiava-namana azo tsapain-tanana. Mandritra ity karemy ity, manaova asa fiantrana amin-kafaliana. Andriamanitra izay "manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, dia miahy antsika tsirairay, tsy hoe mba hanan-kohanina fotsiny fa mba hahafahantsika maneho fa malala-tanana isika. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...