♦ Nampidirina am-ponja vonjy maika, Ramatoa Razaivola Raïssa. Alina tamin'ny 12 ora mahery izy no naterina teny Antanimora... ♦ Hikatona vonjy maika afaka telo andro ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy. Lisitra telo samy hafa no haverina eny amin'ny Fokontany ao aorian'izay... ♦ Olona mpampiasa lalana manodidina ny arivo eny Andranovelona no misedra olana, noho ny fanampenan'ny olona iray ny lalana...
Ny fanabeazana fototra maha-olona feno ny tanora no antoky ny taranaka sambatra. Ilaina ny fifampiresahana sy fizarana ny soatoavina mba hananany herim-po afa-manohitra ireo sakana manohintohina ny fivelarany, ary koa hananany toe-tsaina mandanjalanja ho amin'ny tsara.
♦ Mbola tsy voaporofo ny fisian'ny olona maty vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Emnati, hoy ny BNGRC... ♦ Manambana ny hihazo ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, eny Ambohidahy, ireo mpiasan'ny CTC-19, izay tsy nisitraka karama roa volana... ♦ Tovovavy iray, mpianatra hanala fanadinana bakalorea, no noroahina tamin'ny fomba tsy mazava tany amin'ny Lycée Brickaville...
Antsoin'Andriamanitra hadio ny relijiozy, noho ny fanarahan-dia an'i Kristy. Fanahafana an'i Kristy nisafidy ny hadio no antony iainan'ny relijiozy ny voadin'ny fahadiovana. Hoy ny voalaza ao amin'ny Matio 19, 12 : ary misy olona tsy manam-bady an-tsitrapo noho ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco