♦ Natokan'ny Fitondram-panjakàna ho andro fisaonam-pirenena ny anio tontolo andro ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy tamin'ilay sambo Francia rendrika tany Soanierana-Ivongo... ♦ Nasondrotra amin'ny laharam-boninahitra Général de Corps d'Armée ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimaria ny Jeneraly Serge Gellé... ♦ Tafiakatra 83 ireo namoy ny ainy vokatry ny loza an-dranomasina nitranga tany Soanierana-Ivongo tamin'ny alatsinainy, 50 no avotr'aina...

Nantsoina ho mpampianatra ny pretra ka tsy azo atao tsirambina ny lafiny ara-tsaina eo amin'ny fiofanana. "Ny fampianarana ao amin'ny seminera tsy natao ho fampitàn-kevitra fotsiny fa tena famolavolana ara-teny finoana sy fanabeazana anaty ny seminarista mihitsy". Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alakamisy 23 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66

♦ Vatana mangatsiaka 43 an'ireo mpandeha tamin'ilay sambo "Francia III" rendrika, no hitan'ny mpikaroka androany. Olona 133 tamin'ireo mpandeha nentin'ity sambo ity no efa hita hatramin'izao... ♦ Hita androany hariva teo ny Talen'ny fiarovana eo anivon'ny Primatiora, anisan'ireo tao anatin'ilay angindimby nianjera. Indrisy fa vatana mangatsiaka sisa nitsingevana hitan'ny mpikaroka... ♦ Andro fisaonam-pirenena noho ny zava-nitranga tany Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo ny rahampitso...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...