♦ Mitombo hery ilay rivo-doza Batsirai atsy amin'ny ranomasimbe indiana. Tany amin'ny 940 kilômetatra atsinanan'Ambila-Lemaitso no misy ny foibeny tamin'ny 9 ora maraina teo... ♦ Nanolotra fanampiana ho an'ny traboina ao Antananarivo renivohitra sy ny manodidina vokatry ny andro ratsy farany teo ny rantsan'ny firenena mikambana eto Madagasikara. Fanampiana mitentina 360.000 Dolara... ♦ Tsy manaiky ny hanafoanana ny CROUA noho ny antony tsy mitombina fa fanasoketana sy fanaratsiana fotsiny ny sendikan'ny mpiasan'ny CROUA...
Samy manana fomba hafa hamaritana ny atao hoe "fahombiazana" ny rehetra. Ny fahombiazana dia midika hoe "fandresena" ho an'ny maro, ary misy mari-drefy : marim-pahaizana, haingo amam-bika, eo koa ny fananana. Misy famaritana ankapobeny manao hoe : ny olombelona dia vatana, saina, fo ary fanahy ka raha ireo no tomombana dia azo adika ho fahombiazana...
♦ Tombanana hiditra an-tanety any amin'ny morotsiraka atsinanan'ny nosy amin'ny faran'ny herinandro izao ilay rivo-doza Batsirai. Nanafatra ny vahoakan'i Toamasina hiomana sy ho mailo ny filohan'ny repoblika... ♦ Nijery ny traboina tao Toamasina, omaly, ny filoham-pirenena, miara miara-miatrika amin'ny vahoaka ny voina mahazo azy ny fitondrana... ♦ Raharaha Mahery Lanto Manandafy, nalefa nody taorian'ny fanadihadiana natao taminy izy omaly...
Ao amin'ny fikambanana masina no hahafahana miaina ny antson'Andriamanitra. Sehatra hamolavolana ny ankizy sy ny tanora ny fikambanana masina. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco