Alahady 5 desambra 2021 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 1-6

Ny zaza dia tsy mahavita mamaritra ny aretina mahazo azy, ireo ankizy enina taona mihoatra kosa dia mahavita miteny ny olany ara-pahasalamana. Ny aretin'andoha dia fanaintainana re vokatry ny fibontsonan'ny lalan-dra na fikaikon'ny hozatra amin'ny faritry ny loha. Antony mahatonta ny aretin'andoha: fanaviana, fidinana na fiakaran'ny tosi-dra, olan'ny maso, tsy ampy torimaso, fahalotoan'ny rivotra, lalan-dra tsentsina...

♦ Manahy kolikoly momba ny fitsinjaràna ny tranon'ny mpianatra eny Ankatso ny fikambanan'ny mpianatra avy any Bongolava. Misy amin'ireo afaka bakalôrea taona 2017, mbola tsy nahazo trano... ♦ Mahatsiaro iharan'ny tsindri-hazolena ara-pitsaràna ireo mponina maherin'ny 3 000 any Belambo - Toamasina II. Mbola voatana eny Tsiafahy ny naman'izy ireo... ♦ Nampanantenaina ho amboarina ny RN 41 Ambositra-Fandriana. Manantena ny mponina hoy ny Solombavambahoakan'i Fandriana...

♦ Miantso ny tanora hamonjy ny JMJ Mada ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, hatao any Antsirabe ny 30 aogositra ka hatramin'ny 04 septambra 2022, JMJ andiany faha-10... ♦ Efa tafaverina any amin'ny Banky iraisam-pirenena ny vola notakian'y tamin'ny tetik'asa PAGOSE nanatsaràna ny fitantanana ny Jirama... ♦ Tsy hanaiky lembenana ireo mpivarotra etsy Anosiala-Ambohidratrimo amin'ny fikasàn'ny Kaominina handrava ny trano fivarotan'izy ireo. Nitondra fanazavàna ny Ben'ny Tanàna...

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...