♦ Parlemantera roa, anio, no hiatrika fanadihadiana eny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza. Voampanga ho nanodikodim-bola sy kolikoly, ary miatrika izany raharaha izany eo anivon'ny HCJ...  ♦ Tokony hamafisina ny fanentanana fanaovam-baksiny, hoy ny VAMI, manoloana ny fitomboan'ireo tranga vaovaon'ny Covid-19, takiana ihany koa ny mangarahara tamin'ny teti-bola iadiana amin'izany, taona 2021... ♦ Maro amin'ireo raiamandreny amin'izao no tsy marisika handefa ny zanany any an-tsekoly manoloana ny firongatry ny halatra maso any Toliara-II. Olona 5 no efa matin'ireo mpangalatra maso...

Indray andro, raha nampianatra i Jesoa, dia nipetraka nanodidina Azy teo koa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany avy tamin’ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea mbamin’i Jerosalema, ary tao aminy hanasitranany ny marary ny herin’ny Tompo. Dia indro nisy olona nitondra lehilahy malemy anankiray tamin’ny fandriany ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany; fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo noho ny habetsahan’ny olona, ka niakatra teo ambonin’ny tafon-trano izy ary nanesorana ny tafo dia nampidininy teo afovoan’ny olona teo anatrehan’i Jesoa ralehilahy mbamin’ny fandriany. Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe: "Ralehilahy, voavela ny helokao." Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina dia nisaintsaina anakampo nanao hoe: "Iza moa itý miteny ratsy toy izao itý? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery." Fa fantatr’i Jesoa ny heviny, ka hoy Izy taminy: "Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo? Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe: Voavela ny helokao; sa ny hoe: Mitsangàna ka mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana hamela heloka etý an-tany ny Zanak’Olona, dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao." Niaraka tamin’izay dia nitsangana teo imason’ny olona izy, ary nitondra ny farafara nandriany ka lasa nody any an-tranony nankalaza an’Andriamanitra. Nitolagaga avokoa izy rehetra ka sady nankalaza an’Andriamanitra no raiki-tahotra nanao hoe: "Nahita zava-mahagaga isika androany."

Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, i Herôda no tetrarka tany Galilea, i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, i Lisanià no tetrarka tany Abilena, ary i Ana sy i Kaifa no lehiben’ny mpisorona, dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra. Dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’i Izaia mpaminany hoe: Re ny feon’ilay miantso avy an’efitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny." Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Ary hoy Izy: "Mankanesa any amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony; nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana."

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...