Maro ireo lohahevitra nifampizaràna nandritry ny taona 2021, nifampizaràna ary nahafahana nanasongadina ny hoe : fibeazana miaina sy mitia. Lohahevitra lehibe ny hoe : fifankaherezana sy fifanohanana, indrindra tamin'ny fiatrehana ny covid-19. Fintinina amin'ity fandaharana ity ny vita rehetra nandritry ny taona 2021 ka arahina tomban'ezaka.
♦ Tsy maintsy hajaina ireo fepetra mifanaraka amin'ny fahamailoana ara-pahasalamana amin'izao ankatoky ny fety izao, hoy ny Préfet-n'ny Pôlisy, eto amin'ny Faritra Analamanga... ♦ Maty avokoa ireo roalahy nandeha moto, nisy nitifitra tany Amboasary... ♦ Nahatratra roa amby telopolo, tao anatin'ny efa-bolana, ireo olona voasambotra sy nofonjaina noho ny fakana an-keriny tany amin'ny Distrikan'Anjozorobe...
Ny fikambanana masina na ny any an-tsekoly, na any am-piangonana dia antsoina hamoha ny antson'Andriamanitra ho pretra. Ny fampandraisana andraikitra any amin'ireny sehatra ireny no miteraka fahazarana ho an'ny tanora. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Zoma 31 desambra 2021 — Andro fahafito amin'ny havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco