Misy ny olona voasokajy ho vahoaka fotsiny fa tsy olom-pirenena. Ahoana ary ny hanomanana sy hamolavolana ny Malagasy ho tena olom-pirenena mahalala sy mahafantatra ny adidiny sy ny andraikiny ? Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Hisokatra anio ny seranam-piaramanidina vaovao etsy Ivato. Nisy fanovana ny fifanarahana eo amin'ny Fanjakàna Malagasy sy ny Ravinala Airports, nosoniavina omaly teny Iavoloha... ♦ Nanambara ny Banky Foiben'ny Madagasikara fa tsy misy ary tsy mikasa hamoaka vola voavao izy ireo manoloana ny vaovao niparitaka tany amin'ny tambazotra-tserasera...  ♦ Nohalavaina hatramin'ny faran'ny volana desambra izao ny hetsika fanateran'ireo izay mitàna azy ny basy tsy ara-dalana... 

Rehefa vita ny famolavolana tao amin'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny ankohonam-piangonana niaviany, atolotry ny pretra ny tovolahy iray hanaraka ny fiofanana eny amin'ny seminera zandriny. Miofana sady manovo ny fianarana hahazoana ny bakalorea izy eny. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alakamisy 16 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 24-30

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...