Rehefa vita ny famolavolana tao amin'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny ankohonam-piangonana niaviany, atolotry ny pretra ny tovolahy iray hanaraka ny fiofanana eny amin'ny seminera zandriny. Miofana sady manovo ny fianarana hahazoana ny bakalorea izy eny. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alakamisy 16 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 24-30

♦ Hisokatra manomboka rahampitso ny seranam-piaramanidina nasiam-panavaozana etsy Ivato... ♦ Nodisoin'ny Banky Foiben'i Madagasikara ny vaovao niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera amin'ny hamoahany vola vaovao... ♦ Lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena ny tolakandro teo ny tolo-dalana tsy nampitovy hevitra ny farmasianina sy ny "dépôt de médicaments"...

♦ Ho tanterahana eny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza anio tolakandro, ny fivoriana azon'ny be sy ny maro atrehina, hankatoavana na tsia ny fanenjehana an'ireo manam-pahefana ambony eny amin'ny HCJ... ♦ Ny 96%-ny haba tokony hiditra amin'ny fadintseranana izay voafaritra tao anatin'ny LFI 2021 ankehitriny no efa tafiditra... ♦ Anatin'ny fanadihadiana ara-teknika sy ara-tontolo iainana ankehitriny ny tetik'asa télépherique ao Antananarivo, mba hijerena ny hanafoanana tanteraka ny mety ho voka-dratsin'izany. Natao teny Mahamasina ny fakana hevitry ny vahoaka Malagasy...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...