♦ Nanamafy ny firaisan-kinany teny Vontovorona ny faran'ny herinandro teo ny IFI vondrona ivondronan'ireo fikambanana miisa 400 manohana ny filoham-pirenena, indrindra manoloana ny tsikera ataon'ny mpanohitra... ♦ Harena azo tsy ara-dalàna : Miantoka ny fahazoana famatsiam-bola ho an'ny teti-bolam-panjakàna amin'ny taona 2022 ny fananganana ny ARAI hoy ny ministry ny fitsaràna Imbiky Herilaza... ♦ Hampifanantona ny anjery manontolo sy ny zanak'Ambohidratrimo ny ben'ny tanàna Raherimanantsoa Feno...

♦ Nankalaza ny faha-40 taona nahatongavany teto Madagasikara, tao amin'ny Distrika Bemanevika, niasan'ireo misionera voalohany, diôsezy Ambanja, omaly, ny fikambanana saleziana... ♦ Baolina kitra, niala tamin'ny isa aotra, ka lasa manana isa telo ao anatin'ny vondrona "J" misy azy i Madagasikara. Resin'ny Barea i RDC... ♦ Fahasalamana : tsy hiasa ireo mpianatra ho mpitsabo ao amin'ny HJRA sy ny mpitsabo manaraka fiofanana manokana raha tsy mivoaka ny mpampianatra azy ireo nosamborin'ny pôlisy...

Ny fanambadiana  amin'ny hafa finoana? Tsy misy fanakanana an'izany fa ny fitanana ny finoana sy ny fampitana azy amin'ny taranaka no zava-dehibe. Tokana ihany ny mariazy fa ny endriny no samihafa. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alatsinainy 11 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 29-32

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...