♦ Notsenain'ny fitokonana ny fidiran'ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo eny Ankatso omaly. Nakaton'ireo mpandraharaha ny vavahady sy ny efitrano fianarana, noho ny hetsi-pitakiana... ♦ Manohy ny fahampielezan-keviny ho an'ny fifidianana filohan'ny olafitry ny mpanao gazety ny kandidà ho amin'izany. Maro ireo fanambarana navoakan'ireo fikambanan'ny mpanao gazety samihafa mangataka hanemorana ny fifidianana... ♦ Efa any Kinshasa nanomboka androany maraina ny ampahany amin'ireo mpilalaon'ny Barea hiatrika ny lalaon'i RD Congo ny alakamisy izao, tsy ho avy i Carolus...

Fomba sy endriky hamantarana antso ny fahanginana. Mila fitoniana rehefa misy tranga iray, tsy misendaotra, mamakafaka tsara ao am-po lalina. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Talata 5 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 38-42

♦ Notsenain'ny mpandraharahan'ny Oniversiten'Antananarivo tamin'ny fitokonana androany, ny fidiran'ny taom-pianarana teny Ankatso... ♦ Mbola tsy mitovy hevitra ny samy mpanao gazety, manoloana ny fifidianana ny filoha vaovaon'ny OJM... ♦ Miisa telo ireo mpilalaon'ny Barea tsy ho avy amin'ny fihaonana amin'ny RDC, Isan'ireny i Carolus...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...