♦ Manentana ny Loholona sy ny Solombavambahoaka ny Evekan'i Madagasikara, mba handinika sy handanjalanja alohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana ilay tolo-dalana momba ny fanalan-jaza... ♦ Volamena 22,5 kilao avy eto Madagasika, niala avy teny Nosy-Be Hell-Ville no tratra tany Seychelles... ♦ Marihana androany 22 oktobra ny Andro eran-tany ho an'ny angovo, ka isan'ny nanamarika izany isika eto Madagasikara...
♦ "Ambony noho ny zavatra rehetra ary masina ny zaza ao am-bohoka, na tsy fidiny na nirina, na nampoizina na tsia, satria avy amin'Andriamanitra ny aina", hoy ny eveka eto Madagasikara... ♦ Nankalazaina androany ny fetin'i Masindahy Joany Paoly Faharoa. Nankalaza izany ny Fikambanan'ny pretra Spiritains any Antsiranana sy ny Lycée Saint Jean-Paul II ao Mandritsara, Port-Bergé...
Ambony noho ny zavatra rehetra ary masina ny ain’ny zaza ao an-kibo, na nirina na tsy fidiny, na nampoizina na tsia satria avy amin’Andriamanitra ny aina, hoy ny evekan’i Madagasikara, manoloana ny volavolan-dalana momba ny fampitsaharana ny vohoka.
Mbola tsy afaka mamaly ny filàna amin'ny tsena anatiny ny vokatra ronono eto amintsika. Antony nanafarana ireo omby vavy be ronono hanampiana ny efa misy eto...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco