Talata 19 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 35-38

♦ Tsy tana ny ain'ilay zaza valo taona, iray tamin'ireo sivily enina naratra tamin'ny lozam-pifamoivoizana teny Ambatobe... ♦ Efa tomombana ny fandraisana ny fivoriana ara-potoan'ireo Solombavam-bahoaka, izay hanomboka rahampitso... ♦ Tsy ahitana henan'omby any amin'ny tsenan'i Mananjary, efa ho efatra andro izao...

♦ Notanterahina tamin'ny sabotsy ny Eokaristia Masina nanombohana ôfisialy ny taom-pianarana 2021-2022 ho an'ny sekoly katôlika, natao teny amin'ny Esca Antanimena... ♦ Nankalaza ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fahantrana lalina ny fikambanana ATD quart Monde ny sabotsy teo. Loha-hevitra nanamarihana izany ny hoe : ankizy mahomby amin'ny fianarana antoka iadiana amin'ny fahantrana lalina, indrindra ny vehivavy... ♦ Mbola hisy omby vavy an'arivony no hafaran'ny fanjakàna mba ahafahana mameno izay vokatra ronono tsy ampy eto Madagasikara...

Alatsinainy 18 oktobra 2021 — Masindahy Lioka, evanjelista — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Lioka 10, 1-9

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...