♦ Andrasan'ny maro rahampitso ny mety ho fanazavàn'ny filoham-pirenena momba ny toe-draharaha eto amin'ny firenena. Eo ny mety hiresahana ilay raharaha "Apollo 21" fa indrindra koa ny momba ny vidin'ny PPN... ♦ Nampiaka-peo ireo tompon'andraikitra ambony, manoloana ny fitakian'ireo Parlemantera amin'ny tokony hanafoanana ny zandarimariam-pirenena... ♦ Miantso ny ministra mpiahy, manoloana ny raharaha any amin'ny faritra Ihorombe, mangataka ny hijerena ilay kariera Ambinda sy Ilakaka, ny olomboafidy avy any an-toerana...
♦ Nolavin'ny fitsaràna ny fangatahan'ny sasany tamin'ireo olona voarohirohy amin'ny raharaha "Apollo 21"-ny hahazo fahafahana vonjimaika... ♦ Nolanian'ireo solombavambahoaka omaly ny volavolan-dalàna nankatoavana ilay fampidramam-bola mifandraika amin'ny tetik'asa fananganana orinasa na PAIFS... ♦ Nijoro eto Madagasikara ny ivontoerana hanaraha-maso ny fampiasàna akora simika na ny CHEMOBS. Efa miasa ihany koa ny Officier de Police Judiciaire mampanaja ny fepetra momba izany...
Ny finamanana sy ny fifangaroana anatin'ny vondrona, misy rafitra tsara na ivelany, matetika, dia manampy hanamafy ny fahaizana eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fifandraisana amin'ny tontolo misy. Tsy mandefa antsika irery Andriamanitra rehefa maniraka antsika noho izany tsy mety ny manilika ny hafa, natao ifameno isika. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Sabotsy 7 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 14-20
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco