Nofidian'Andriamanitra manokana ny vehivavy hitondra famonjena an'izao tontolo izao. Eo amin'ny Jody, tsy dia nomena anjara loatra ny vehivavy. Ny an'i Masina Maria, iraka goavana, toy nataon'i Abrahama. Maria nanolotra ny zanany ho an'izao tontolo izao. Manana anjara toerana ao amin'ny fiangonana hitory ny Vaovao Mahavaly ny vehivavy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien

♦ Ireo tombontsoa azo avy amin'ireo tetik'asa niaraha-nanao sonia tany Frantsa vokatry ny famatsiam-bola azon'i Madagasikara ary ny vokatry ny fanatrehana ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana, tany New York, Etazonia, no nambaran'ny Filohan'ny Repoblika androany, raha nitatitra ny diany tany ivelany izy... ♦ Tokantrano maherin'ny 75000 avy amin'ny distrika 13 eto Madagasikara no misitraka ny vatsin'ankohonana. Mamatsy vola izany, manodidina ny 23,6 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena, ary ny fitondrana malagasy 3,5 tapitrisa dolara...

♦ Toe-po telo no takian'izao fankalazana izao, hoy i Mgr Jean Pascal, omaly nandritra ny fankalazana ny taon-jobily faha-160 taona nitoriana ny finoana an-kalalahana teto Iarivo... ♦ Efa an-dalana ankehitriny, ny fanadihadiana ny hanandratana ho olomasina an-dRamose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny kristianina ny Papa, nandritra ny vavaky ny Angelus omaly, mba tsy hihevi-tena ho sangany...

♦ Pretra roa niharan'ny fanafihana sy fandrobàna tao Mananjary no manaraka fitsaboana aty an-drenivohitra ankehitriny... ♦ Nifarana ny atrik'asa isaky ny renivohi-paritany enina nataon'ny Ceni, andrasana amin'ity herinandro ity ny fandravonana izany... ♦ Efa mijery ireo lamina mba hitadiavam-bahaolana amin'ny fiakaran'ny vidim-panafody ny holafitry ny farmasiana sy ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...