♦ Mbola mitohy ankehitriny ny hazalambo ataon'ny mpitandro ny filaminana an'ireo dahalo nanafika tany Midongy Atsimo. An-jatony ny omby efa tafaverina, am-polony ireo dahalo voasambotra... ♦ Tsy laharam-pahameha ny fanamorana ny fahazoan'ny vahiny zom-pirenena malagasy, hoy ny Solombavam-bahoaka TIM, Todisoa Andriamampandry...
Zoma 4 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 35-37
♦ Mitohy ny hazalambo ireo dahalo, izay nanafika tany amin'ny Distrikan'i Midongy Atsimo. Hatreto dia an-jatony ny omby efa tafaverina, am-polony kosa ireo dahalo voasambotra... Fampitam-baovao avy amin'ny Antenimieram-pirenena, nanazava ny tsara ho fantatra mikasika ny tolo-dalana mifehy ny zom-pirenena malagasy...
Feno ala voajanahary nahitàna hazo malagasy maro teto amintsika, nanerana ny Nosy talohan'ny fanjanahantany. Rehefa tonga ireo vazaha dia namboly hazo vahiny izay haingam-paniry anefa tsy ahazoana tombontsoa akory. Ho fiarovana ny ala ary ho famerenena ho maitso ny nosintsika dia ilaina ny fambolena hazo malagasy sy sakafo ho an'ny biby "paturage", manao fiompiana mifefy "ferme bio", averina ny fifaninanana kaominina maitso. Ny hazo malagasy dia mahalonaka ny tany, mamelona loharano ary miaro ny tontolo iainana...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco