♦ Hiverina ny 21 sy 22 jona izao ny fivorian'ny pretra eto amin'ny diosezin'Antananarivo, rehefa niato volana vitsivitsy noho ny hamehana ara-pahasalamana... ♦ Tsy mitovy hevitra manoloana ny fahafatesan'ilay zazalahy tetsy amin'ny BANI Ivato ny fianakaviany sy ny Etamazaoron'ny Tafika...
♦ Hotanterahana isaky ny renivohi-paritany ny matso ataon'ny foloalindahy malagasy hankalazàna ny faha-61 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara... ♦ Nambaran'ny teknisiana ao amin'ny ministeran'ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana fa tsy misy ahiana ny famatsiana rano fisotro madio ho an'ny mponina Antananarivo... ♦ Takian'ny Randrana Sendikaly ny ahafahan'ny toeram-pitsaboana iraisan'ny orinasa hitsabo ny mpiasa mararin'ny Covid-19...
♦ Nohalavaina 15 andro indray ny amehana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Tsy mihoatra ny 200 ny olona afaka mivorivory. Isan'ny fepetra nambaran'ny filohan'ny repoblika alina... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina covid-19, tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina 39 no voatily tamin'ny fitiliana miisa 841 natao ny sabotsy 12 jona teo, Sitrana 26, lavon'ny aretina miisa 05... ♦ Nosokafana omaly tamim-pomba ofisialy ny fankalazàna ny faha-150 taonan'ny Ekar Fo Masin'i Jesoa Anosizato. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Arsevekan'Antananarivo no nanehoana izany...
Ny fialan-tsiny dia mba hilazàna fa tsy misy lavorary amin'izay nataony ny olona iray. Ny fialan-tsiny ihany koa anefa dia fiarovantena alohan'ny fotoana sy tahotra ny ho tsikeraina. Manana fahazarana manao zavatra atomotra sy tsy ara-potoana ny olona. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco