♦ Tsy afaka hankalaza ny fetin'ny Sakramenta Masina toa ny fanao isan-taona ao amin'ny Paroasy Mahamasina ny kristiana eto amin'ny diosezy Antananarivo amin'ny alahady izao... ♦ Kaominina Andranomavo, kaominina Soalala ary kaominina Belobaka isan'ny notsidihan'ny Filoham-pirenena... ♦ Nosokafana ofisaly androany ny toerana hanatanterahana ny fanaovam-baksiny hisorohana ny Covid-19, ho an'ny eo anivon'ny kaominina Antananarivo, ao amin'ny kianja Malacam-Antanimena... 

Alarobia 2 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 18-27

♦ Misy lamina manokana ny fankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina amin'ny alahady ho avy izao, ho an'ny eto amin'ny diosezin'Antananarivo. Manazava ny tsara ho fantatra momba izany ny Arsevekan'Antananarivo... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina Covid-19, miisa 24 ny tranga vaovao tamin'ny fitilina 202 natao omaly. 122 kosa ireo sitrana ary roa ireo marary lavon'ny aretina, teto Analamanga avokoa izy ireo...

♦ Nahemotr'ireo solombavambahoaka amin'ny fotoana manaraka indray ny fandinihana ilay tolo-dalàna momba ny zom-pirenena malagasy... ♦ Azo adika ho fiandanian'ny sampandraharaham-panjakàna iray amin'ny antoko politika ny fandokoana ny birao hitovy amin'ny lokon'ny antoko eo anivon'ny fitondrana, hoy ny mpahay lalàna... ♦ Tsara ny vidin'ny lojy maintsy maso, nisokatra androany ny fotoam-piotazana any amin'ny  faritra Boeny... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...