Alarobia 3 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 17-28

♦ Mitohy ny fitetezam-paritra ataon'ny vadin'ny Filoham-pirenena hanamarihana ny andron'ny 8 marsa. Namboly anananambo 3.000 fototra tany Belalanda Toliara II, androany Ramatoa Mialy Rajoelina... ♦ Manainga ny fanjakana sy ny mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola, hametraka tahirim-bola manokana ho an'ny tantsaha mba hiatrehana ny valan'aretina Covid-19 sy ny fiovan'ny toetr'andro, ny Fivondronamben'ny Vehivavy Tantsaha Malagasy...

Modely ho antsika rehetra i Masindahy Josefa amin'ny fahamarinany sy ny fahanginany. Lehilahy marina izy noho izy tsy nivadika tamin'i Maria. Tsy hay tohaina ny fitiavany an'i Maria. Tsy te hanala baraka ny vadiny izy ary noraisiny tsy am-pisalasalana ny iraka nankininan'Andriamanitra taminy.

♦ Namoaka fanambaràna ny kaominina Antananarivo, momba ny fikasàna hanova ny eny Behoririka ho "china town malagasy" na tanan-dehiben'ny sinoa, toy ny any am-pita... ♦ Hahazo vola 300.000Ariary, noho ny krizy ara-pahasalamana ireo mpampianatra Fram tsy mandray fanampiana avy amin'ny fanjakàna. Ho avy tsy ho ela koa ilay "aide spéciale", hoy ny ministry ny fanabeazam-pirenena... ♦ Filoha frantsay teo aloha : Tsy voatery any am-ponja no hanefany ny saziny fa any amin'ny trano fonenany ihany...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...