Zoma 18 desambra 2020 — Herinandro mialoha ny Noely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24 — Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony.

10 desambra, feno 10 taona ny nanambaran'ny firenena mikambana ny maha zo fototra maha olona ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana, Nomarihina tamin'ity taona ity ihany koa ny faha-72 taona, nanambarana ny zon'olombelona. Ireo zo fototra mikasika ny rano sy ny fidiovana : voalohany rano ampy tsara ho an'ny isam-batanololona, faharoa rano madio tsy misy loto mety hanimba ny fahasalamana, fahatelo fanadiovana azo antoka izany hoe misaraka ny diky sy ny olombelona, fahaefatra rano akaiky sy azo hampiasaina amin'ny toerana rehetra, fahadimby takatry ny fahefamividin'ny rehetra, fahenina tsy ahitana fanavakavahana...

♦ Maro ny lesoka tsikaritry ny filohan'ny antenimieran-doholona, Andriamatoa Rivo Rakotovao, ao anatin'ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2021... ♦ Miantso ny fitondram-panjakàna hanampy azy ireo amin'ny fanarenana ny simba ireo mponina rava trano tao Nanto noho ny haintrano nitranga tamin'ny talata teo... ♦ Mirongatra izay tsy izy ny isan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus any Etazonia sy ny isan'ny maty tao anatin'ny 24 ora. Tafiakatra 3.700 ny isan'ny olona lavo araka ny antontan'isa omaly...

♦ Volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakàna taona 2021 : nakatoavin'ny Loholona, ho tombontsoan'ny firenena sy fanajàna ny demokrasia hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona... ♦ Fanamboaran-dalana Rocade Est :  80% ny asa no efa vita saingy ny 26%-ny tompon-tany voakasika no mbola hahazo onitra... ♦ 10 taona katroka androany ny nanombohan'ny revolisiona lehibe tany Tonizia dia nandroran'i Mohamed Bouazizi ny tenany, tsy nanaiky ny fahoriana lalina niainany sy ny mpiray tanindrazana taminy... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...