Alatsinainy 23 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 1-4 — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Alahady 22 nôvambra 2020 — Fankalazana an'i Kristy Mpanjaka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 31-46 — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.

Manerantany dia 120.000.000 ny olona voan'ny aretina ongobe na bongabe, amin'ireto faritra ireto no tena ahitàna azy, afrika, asia, amerika afovoany sy atsimo. Eto Madagasikara dia ditsrika 104 no ahitana azy, ary hanaovan'ny ministera hetsika fanentanana. Ny atao hoe ongobe na bongabe dia fivontosan'ny tongotra, na ny hankasarotana na eo amin'ny nono. Kankana mitombo sy manentsina ny lalan-drà no mahatonga ny fivontosana ary mifindra amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka... 

♦ Hiafara amin'ny fanagiazana ny taratasin'ny mpandraharaha ny tsy fampiasany ato amin'ny tsena anatiny, ny vola vahiny azony amin'ny alalan'ny fanondranana entana... ♦ Miditra amin'ny andiany faha-15 ny RFC. Anjara birky entiny amin'ity andiany ity ny fiarovana ny tontolo iainana... ♦ Mampanahy ny hiverenan'ny fihanaky ny Coronavirus fanindroany any Brésil, hoy ny ministry ny fahasalamana bresiliana... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...