Sabotsy 13 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 33-37 — Araikao amin'ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka haneika ahy.

Nantsoin’ny Ray hiala sasatra ao aminy ny zoma 12 jona 2020 tamin’ny mitataovovonana i F. Abbio Elio, sdb, rehefa nahavita ny iraka nankininy taminy, nandritra ny 65 taona naha-relijiozy azy tao amin’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco.

♦ Ahiana hampakatra indray ny isan'ny ankizy miditra amin'ny sehatry ny asa ny krizy ateraky ny Coronavirus... ♦ Niroso tamin'ny hetsika fanairana nanomboka ny maraina teo ireo Paramed mivondrona ao amin'ny sendikà SISFM... ♦ Nanomboka androany kosa ny fivoriana ara-potoan'ny mpanolo-tsaina monisipaly ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...

♦ Niampy 41 indray ireo olona tratran'ny Covid-19 ary miisa 16 ireo sitrana raha ny tatitra omaly... ♦ Vaky ambatolampy ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny Minisitry ny Fitsaraba sy ny Sekretera jeneralin'ity Minstera ity, nanoloana ilay mpanakanto nahafaty olona teny Tsarasaotra... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalana, manararaotra ny fisian'ny hameha ara-pahasalamana...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...