• Niakatra fitsarana momba ny raharaha famotsiam-bola hanenjehana azy atsy amin'ny nosy Maurice androany, Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Nentina hopitaly hafa indray ity mpandraharaha Malagasy ity, tao aorian'ny fakana am-bavany azy... • Namaly ny Tale Jeneralin'ny CNaPS ny orinasa SMGD androany, momba ilay fisamboram-bola 11 miliara Ariary, tao amin'ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy... • Heverina hivaha ny olana nanaovan'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-panjakana fitokonana lavareny. Nataon'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sonia androany, ny fifanarahana mirakitra ny fitakian'izy ireo...
♦ Nohainoana teny amin'ny fitsaràna tao Port Louis Maorisy taorian'ny fanadihadiana nataon'ny FCC azy ny maraina teo ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga... ♦ Nilaza ny hametraka fitoriana eny amin'ny Fitsaràna ny sendikà mahaleotena eo anivon'ny Kaominina Antananarivo, noho ny feo mandeha fa misy mikasa handoro ny Lapan'ny Tanàna... ♦ 06 novambra 1995, feno 30 taona anio ny nahamay ny rovan'i Manjakamiadana, tsy mbola misy mangirana hatramin'izao ny antony nahatonga ny fahamaizana sy ny olona nanao izany... ♦ Nanentana ny mpino hivavaka mba hisian'ny fandriampahalemana manerantany ny Pape Léon-XIV...
Ny mitantana firenena dia fandraisan'anjara ; ny kara-panondrom-pirenena dia midika fananana andraikitra sy adidy amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ny fanantenana amin'ny mety ho fandrosoan'i Madagasikara dia miainga amin'ny tsirairay, ialàna lavitra ireo toerana sy fomba mamotika ny firenena toy ny fandrobana vola sy ny harena maro samihafa. Ny toe-tsaina dia singa iorenan'ny fomba amam-panao mitondra amin'ny fahavonona. Sotoavina tsara tazomina : fifanajàna, fahamarinana, fifampitokisana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Ahemotra amin'ny volana febroary 2026 ny ZAIKABE FAHA-10 sy ny Kômity foibe faha-47, karakarain'ny FFKM izay nokasaina hatao ny 24 hatramin'ny 29 novambra 2025 izao, noho ny toe-draharaham-pirenena... ♦ Nisongadina tamin'ny filan-kevitry ny ministra omaly ny fanesorana olom-panjakàna ambony teo anivon'ny ministeran'ny vola sy ny fitantanam-bola sy ny nanafoanana ny didim-panjakàna nanendry ireo tompon'andraikitry ny DREN manerana ny Faritra 23... ♦ Sazy anterivozona 20 taona sy onitra 100 tapitrisa Ariary no azon'ireo olona telo voampanga tamin'ny famonoana an'i Rasazy Narindra araka ny didim-pitsaràna nivoaka omaly...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco