♦ Eny amin'ny Araben'ny Fahaleovantena eny Analakely no fankalazana tokana ny faha-60 taonan'ny niverenan'ny fahaleovan-tena amin'ity taona ity... ♦ Efa vonona handray an-tanana ireo mararin'ny Coronavirus ny hôpitaly annexe any Moramanga... ♦ Maty antoka ny mpiompy ombivavy be ronono sy ireo misehatra amin'ny lalam-pihariana ronono noho ny Coronavirus...

♦ Tafakatra ho 908 izany ny isan'ny olona mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara. 707 no tsaboina any amin'ny hôpitaly, 195 kosa no efa sitrana... ♦ Manahy amin'ny mety hidiran'ny firenena ao anaty krizy lalina ara-tsosialy sy politika ary toe-karena ny Komitin'ny Fahamarianana sy Fandriampahalemana ary ny Fiadanana na ny K3F... ♦ Nitrangana savorovoro kosa tao Toamasina omaly...

Alakamisy 04 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28-34 — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ka ho tian'ny Ray ary hankao aminy izahay.

♦ Niampy 63 ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara raha ny fitiliana vita omaly tontolo... ♦ Efa voafehin'ny mpitandro ny filaminana ny zava-misy tany Toamasina amin'izao fotoana izao... ♦ Efa voafehy ny mety hiparitahan'ny Coronavirus ao Toliara, manoloana ny fisian'ireo tranga roa vaovao hita...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...