♦Hampahafahatarina eny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha rahampitso amin'ny 5 ora hariva ireo ministra voafantina tamin'ireo kandidà miisa 467... ♦ Tsy mifanaraka amin'ny pedagôjia ny famitàna ny fandaharam-pianarana mialoha ny fialan-tsasatry ny Paka ka tsy eken'ny vovonan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara... ♦ Nahitàna fiakarany 2000 Ariary isaky ny kilao ny vidin'ny hena eny an-tsena ankehitriny... ♦ Hosokafana anio any Côte d'Ivoire ny lalao baolina kitra hiadiana ny amboaran'i Afrika Can 2024...
♦ Mila mahay maka lesona ny filoha Andry Rajoelina hoy ny mpamakafaka pôlitika Soalihy Moussa, mba hahafahany mamita am-pitoniana ny fe-potoam-piasany faharoa... ♦ Efa nahatratra 18 ireo tranga fanolanana zaza latsaky ny 15 taona nandalo teny anivon'ny fampanoavana eny amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo hatramin'ny fiandohan'ny taona 2024... ♦ Voamarina fa alika mpirenireny no nanaikitra ireo omby tany Brickaville tamin'ity herinandro ity hoy ny tale jeneralin'ny fiompiana... ♦ Nandray fepetra ny any Colombie manoloana ireo gadra tafatsoaka any Equateur...
Mila antsika taranaka mifandimby ireo zokiolona. Lesona ho an'ny taranaka ny fitondran-tena sy ny fihetsika ataon'ny zokiolona. Manome fahamatorana ny taranaka dieny mbola tanora ihany koa ny zokiolona. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
13 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 13-17)
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco