♦ Andrasana ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo Madagascar, mahakasika ny fivoaran'ilay rivodoza Cheneso... ♦ Efa maherin'ny 2000 ireo olona tra-boina, ka 214 no voatery nafindra toerana vonjimaika, araka ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC, vokatr'ity rivodoza ity... ♦ Tsy misy atahorana ny fandoavana ny karaman'ny mpiasam-panjakana, hoy ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola...

Ny fankamasinana ny andro alahady dia tsy miankina amin'ny safidy ho an'ny Kristiana vita Batemy satria didin'Andriamanitra. Ny atao hoe zanaka hendry dia ny fahaizany manatanteraka ny didy sy ny sitrapon'ny ray aman-dreniny. Ilaina ny mifandresy lahatra sy mifanentana mba hanaraka an'Andriamanitra sy ny sitra-pony. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Zoma 20 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19

♦ Tany amin'ny Ditrikan'i Befandriana no nisy ny foiben'ilay rivodoza Cheneso tamin'ny 3 ora tolakandro. Mety ho levona any amin'ny Faritr'i Bongolava izy amin'ny faran'ny herinandro... ♦ Kendrena ny hampakatra 15 hatramin'ny 25% ny anajara birikin'ny indostria eo amin'ny harin-karena faobe na ny PIB national, hatrany amin'ny taona 2028... ♦ Fitaovana isan-karazany, raitra sy maoderina  enti-manafaingana ny fampanjakana ny fandriam-pahalemana no natolotry ny Minisiteran'ny Fifandraisan-davitra tamin'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena, androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...