♦ Mihatra nanomboka ny volana jolay teo ny saran'ny herinaratra vaovao ho an'ny indostria na ny TARIF OPTIMA BUSNESS. Hisy anefa ny sarany manokana hampiharina amin'ny sokajin'orinasa ara-indostria araka ny fanapahana nandritra ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Hampiroborobo ny voly kafe ao aminy indray ny ao amin'ny faritr'i Vatovavy manomboka izao. Voly isan'ny manana ny anjara toerany amin'ny toe-karena any amin'iny faritra iny... ♦ Manodidina ny 380 isa ireo olona voasambotry ny polisy tao Antananarivo renivohitra nandritra iny volana jolay teo iny. Miisa 05 ireo olona nanao halatra miaro herisetra miaraka amin'ny basy ka ny 04 isa maty voatifitra ary ny 01 azo sambo-belona...
♦ Tsy mety intsony hoy ny "Nouvelle Plateforme pour la continuité" ny fifaniliana andraikitra amin'ny filazana fa ireo mpitondra nifandimby teto hatramin'izay no nampahatra ny vahoaka sy ny firenena. Tokony karohana aloha ny antony mampahatra ny malagasy vao miroso amin'ny fikaonandoha-pirenena... ♦ Nanahirana an'ireo mpampiasa fiara ny nahita Gazoil tato ho ato. Nanambara ny tale jeneralin'ny OMH fa mbola manana tahiry lasantsy sy Gazoil isika... ♦ Nanolotra mari-pankasitrahana ho ani'izy 6 mianadahy nandrombaka ny tompon-dakan'i Afrika teo amin'ny taranja Judo taona 2022 sy ny fibatana fonjamby taona 2021, teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha ny filoham-pirenena Andry Rajoelina...
04 aogositra — I Masindahy Jean-Marie Vianney dia teraka tao Dardilly akaikin’i Lyon, tamin’ny 08 mey 1786. Jean-Marie Baptiste Vianney moa no tena anarany ary fantatsika amin’ny hoe Curé d’Ars izy, noho izy nitondra ny fiangonana nandritra ny 41 taona tao Ars-en-Dombes, lasa Ars-sur-Formans ankehitriny.
Sarotra ny miresaka finoana amin’izao fotoana izao ao an-tokatrano ao. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny fanabeazana azony ny Ray aman-dreny an-daniny, sy ny zanaka nateraka an-kilany. Na dia mianatra any amin’ny sekolim-pinoana katolika aza ny zanaka dia tsy mandeha ho azy ny fiainana ny finoana sy ny fifampizaràna ao an-tokatrano ao. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco