Sabotsy 20 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 12-17
♦ Nihemotra ny demokrasia teto Madagasikara, hoy ny HCDDED. Nahitana taratra izany, hoy ity Filankevitra ambony ity, ny fisian'ireo toe-draharaha politika niseho tato ho ato... ♦ Anatin'ny main-tany, no heverin'ny CENI hanatanterahana ilay fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Hanomboka ny volana oktobra izany, hoy ny Kaomisera nasionaly eo anivon'ity vaomiera ity... ♦ Hahisty ny drafitra hanatsarana ny sehatry ny fandriampahalemana eto amintsika. Misy androany sy rahampitso ny atrik'asa handinihana izany, etsy amin'ny CCI Ivato, karakarain'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena...
♦ Hamory ireo mpisehatra amin'ny harena ankibon'ny tany ny Federasiôna FOM, handinihana ny olana iainan'izy ireo amin'izao fotoana izao... ♦ Hametraka taninketsa ara-indostria zato mahery manerana ny nosy ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana... ♦ Baolina kitra, hanomboka amin'ny sabotsy izao ny lalao fifanintsanana hiadiana ny Amboaran'i Madagasikara Telma Coupe de Madagascar...
Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena mba hisian'ny fahatsaram-piainana, na eo amin'ny ankohonana io, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eo amin'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco