♦ Akon'ny fankalazana ny Andron'ny Tanora, izay ankalazaina amin'ny Fetin'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao...

♦ Azo antoka ny hahatratrarana mialohan'ny faran'ny taona ny vina napetraka amin'ny fanafainganana ny fitsarana ireo voafonja, hoy ny ny Minisitra Imbiky Herilaza... ♦ Marefo ny fampiharan'ny fitondrana malagasy ny didy fisamborana iraisam-pirenena, hoy ny mpahay lalana Alain Andriamiseza... ♦ Hotanterahana amndritra ity herinandro ity, eny amin'ny Cénacle Ambohipo, ny Komity Foibe FFKM faha-43 sy ny Zaikabe faha-9...

♦ Mbola ahiana hatrany ny hitombon'ireo olona ho tratran'ny Covid-19 eto Madagasikara. Nahatratra 45 ireo tranga vaovao, raha ny tatitra ofisialy farany... ♦ Feno ireo mpikambana 9 handrafitra ny CENI. Andrasana ny fianianana hataon'izy ireo mialoha ny hanombohany hiasa... ♦ Tsy mitsaha-miakatra hatrany ireo vidin'ny entana ilaina andavanandro. Maro ireo mpivatra manararaotra sy tsy manara-dalana hoy ny talen'ny varotra sy ny fanjifana...

Misy ireo misafidy ho pretra na relijiozy na ho tokan-tena, rehefa mandalo zava-tsarotra ny olona dia mihevi-tena ho diso lalana, hany ka lasa mangozohozo sy tsy mari-pototra ilay antso tokana niantsoana antsika dia ny fahamasinana. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...