Ny fiaraha-monina ankehitriny dia anjakan'ny fitiavantena. Ny mpanana sy ny matanjaka no manana ny fahefana ary zary atao tsinotsinona ny aina. Manoloana izany dia voalika ny mahantra sy ny madinika, etsy ankilany, tsy afaka mijery fotsiny an'izany ny fiangonana, ka manentana ny rehetra hitia ny madinika. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alarobia 20 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 39-48
♦ Manao antso avo amin'ny mpitondra mahefa, hijery vahaolana maharitra momba ny tsy fandriam-pahalemana any amin'ny Faritri'i Menabe, ny evekan'i Morondava, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien... ♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny andrim-panjakana mpanao lalana. Samy nanome lanja ny asa vitan'ny fahefana mpanatanteraka ny filohany ; niombonana kosa ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana amin'ny faritra maro...
♦ Isaky ny talata fahatelo amin'ny volana oktobra no fanatanterahana ny fanombohana ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny parlemantera eto Madagasikara. Manomboka izao antoandro izao ny eny amin'ny lapan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Andro faharoa amin'ny fikaonandoha iraisam-pirenena ho an'ny fitsarana sy ny tontolo iainana, anio, izay karakarain'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakàna malagasy... ♦ Ampahafantarina ireo mpitsara eto Madagasikara ny foto-kevitra sy ny zo fototra mahakasika ny asa, ny aro loza sy fahasalamana eny anivon'ny asa, ny fenitra iraisam-pirenena momba ny asa...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco