♦ Natomboka androany ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahenina, mampitohy an'Ambanja sy Antsiranana. Nametraka ny vato fototry ny fanombohan'ny asa ny Filoham-pirenena androany... ♦ Tsy mankato ny herisetra atao amin'ny olona, amin'ny endriny rehetra, ny Fiangonana. Navoitran'ny Eveka mpanampy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, tamin'ny famelabelaran-kevitra nataony izany, androany...
♦ "Mila ezaka ny fiainana ny voady", io no hafatra napetraky ny Lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nandritra ny voady notononin'ireo frera 22 mirahalahy... ♦ Nandefa hafatra, manentana ny rehetra hihavana amin'ny voaary i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Ny fitoviana ao amin'i Kristy dia mandrava ny endri-pahasamihafana rehetra, hoy ny Papa François nandritra ny "Audience générale"...
Mila hamafisina ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy hoy Andriamatoa Zafisolo Louis, mpiompy any amin'ny Faritra Androy raha tiana ny hamaha ny olana mahazo ny mponinia noho ny fisian'ny kere. Manana toerana manokana amin'izany ny fiompiana osy.
Nitsangana teo akaikin'ny Hazofijalian'i Jesoa ny Reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin'i Kleôfasy, ary i Maria Madelenina. Nony hitan'i Jesoa ny Reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy Izy tamin-dReniny: "Ravehivavy, indro ny zanakao". Ary hoy koa Izy tamin'ilay mpianatra: "Indro ny Reninao". Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco