♦ Tanterahina manomboka anio manerana ny nosy ny fanadinam-panjakàna BEPC 2021. Ankizy 8 taona no zandriny indrindra, 68 taona ny zokiny indrindra... ♦ Nisy tranga-na Covid-19, miisa 16 hita tamin'ny tarehiimarika farany navoakan'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka ny faran'ny herinandro teo. Tafakatra 941 hatramin'izao, ireo olona matin'ny covid-19... ♦ Miverina indray ny kolikoly ataon'ny Zandary, hatramin'izay nisian'ny sakana eny amin'ny lalam-pirenena, taorian'ny fihibohana, araka ny tatitry ny eo anivon'ny zandarimariam-pierenena... 

Ny fahasahiana dia misy fototeny hoe sahy. Ny olona manana fahasahiana dia olona manana herim-po hanao zavatra. Olona sahy dia afaka manao zavatra no sady manaiky ny hanao zavatra. Ny olona manana fahasahiana dia olona tsy matahotra ao anatiny ary marisika ny hanao zavatra iray mety hoe tsy vitan'ny hafa. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.

Alatsinainy 19 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 38-42

Nanokana ny andro maneran-tany ho an'ny Raibe sy ny Renibe ary ny zokiolona ny Pape François izay marihina isaky ny alahady akaikin'ny fankalazàna ny fetin'ny Mb Anne sy Joachim ka ny amin'ity taona ity dia ny 25 jolay izao no hankalazaina izany.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...