Zavatra maro no tokony harindra ao an-tokandrano. Ny fifampitokisana dia andry iray manamafy ny fifandraisana ao an-tokantrano, izay tokony hisy eo amin'ny mpivady eo amin'ny ankizy, eo amin'ny mpianankavy. Misy fiatraikany eo amin'ny fanabeazana ny ankizy sy ny fiainan'ny fianankaviana ny fifampitokisana. Mila omanina ny firosoana ao amin'ny sehatry ny fanambadiana sy ny tokandrano : fifampizahan-toetra... 

♦ Mikasa ny hamory ireo rantsa-mangaikany eto Antananarivo ny Rodoben'ny mpanohitra, hikaon-doha momba ny ambara fa tsy fetezan-draharaha eto amin'ny firenena... ♦ Olona telo indray no matin'ny Covid-19 eto amintsika, araka ny tarehimarika ôfisialy omaly. Tafakatra 936 ireo namoy ny ainy vokatr'izany, tato anatin'ny herin-taona mahery... ♦ Olona 45 amin'izao no efa namoy  ny ainy, vokatry ny korontana misy atsy Afrika-atsimo, taorian'ny fisamborana sy nampidirana am-ponja ny filoha teo aloha Jacob Zuma... 

Tsy velona irery ny olona fa mila fiaraha-monina itomboana ka hahalalany ny tenany. Mamolavola ny fiaraha-monina satria ianarana ny fiainana, Mety tsy ho tsara avokoa izay hita eo amin'ny fiaraha-monina fa izay no ilàna ireo herim-panahy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomantsoa Jean Louis.

♦ Misy mikasa hanodikodina ny raharaham-pitsarana momba ny  an'i Nasandratra Valimbavaka izay maty nisy namono tetsy amin'ny kianja basket Bani Ivato. Lavin'ny fianankavian'ny maty ny fikasàna hanao raharaham-pihavanana... ♦ Nitombo indray ireo matin'ny coronavirus, nanamafy etsy ankilany ny tompon'andraikitry ny ministeran'ny fahasalamambahoaka fa mbola tsy tonga eto Madagasikara ny variant Delta... ♦ Tsy mifanentana amin'ny teti-bola azon'ny faritra ny zava-bita any Amoron'i Mania, hoy ny solombavambahoaka voafidy, avy ao... 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...