♦ Hanomboka anio ary mandritra ny hateloana ny tombana momba ny dingana vita tamin'ny fampiharana ny teti-pivoaran'ny fanabeazana sy ny fomba hanatsaràna izany... ♦ Miantso ny filoham-pirenena, ary mitaky amin'ny HCC tsy hankatoa io lalàna vaovao mifehy ny fananan-tany, vao nolanian'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna ny vonvonam-pikambanan'ny tantsaha... ♦ 21 ny tranga vaovao, 15 avy eto Analamanga, no mitondra ny tsimok'aretina coronavirus tamin'ny fitiliana 500 mahery... 

Mibaiko ny fiainana ny finoana ary mamaritra ny maha izy ny tena. Fiaraha-miaina amin'Andriamanitra ny finoana ka tsy maintsy hajaina ny didiNy. Ny kristiana dia mino fa any an-tranon'ny Ray, misy toerana omanin'i Kristy, Izy irery no lalana marina mankany amin'ny fiainana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Alakamisy 8 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 7-15

♦ Miombon-kevitra amin'ny tokony hijeren'ny Governemanta ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny na ireo antoko ivelan'ny fitondrana na ireo miara-dia amin'ny mpitondra... ♦ Nanomboka androany ny fitsarana ny CEPE. Eo ho eo ihany ny fahaizan'ny mpiadina ny taranja malagasy...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...