Ny herisetra miankina amin'ny fahasalamana dia ireo karazana fampijaliana rehetra avy amin'ny fiteny, ny fihetsika ary ny fitondran-tena mahatonga fahavoazana sy fangirifiriana ara-batana, ara-pananahana, ara-tsaina, ara-panahy, misy ifandraisany amin'ny fahasalamana. Tsy maintsy mifampitsinjo ny isan-tsokajiny raha tsy izany dia mifampanao herisetra sy mifamono mivantana na ankolaka eto isika rehetra... 

♦ Fotoana nofaritan'ny Diosezin'Antananarivo hankalazana ny fetin'i Masindahy Josefa ny anio, hanatanterahana ihany koa ny fanamasinana diakra sy ny fanamasinana ireo menaka masina hampiasain'ny Fiangonana mandritra ny taona, ary ny fanaovan'ireo pretra ny tokim-panompoana... ♦ Miankina tanteraka amin'ny firenena Afrikanina tatsimo ny tohin'ilay raharaha volamena 73,5 kg, hoy ny Maître Olala. Mbola manjavozavo ihany koa, hoy izy, ny fisamboran'ny Interpol ireo olona telo nomen'ny fitsarana Afrikanina tatsimo fahafahana vonjy maika...

Zoma 19 marsa 2021 — Masindahy Josefa, vadin'i Maria Virjiny — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 16. 18-21. 24

♦ Niampy 173 indray ireo tranga vaovao Covid-19 eto amintsika, olona iray namoy ny ainy, araka ny tarehimarika ôfisialy nivoaka androany antoandro. Mbola Analamanga no ahitana tranga maro indrindra... ♦ Nitokona nanoloana ny fitsarana Anosy androany ireo mponina any amin'ny kaominina Ambatofahavalo Atsimondrano, ho firaisan-kina tamin'ireo olona 24 niakatra fitsarana, noho ny fanoherana ilay fitrandrahana fasika any an-toerana...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...