Miverina tsy mihoatra ny dimampolo manomboka amin'ny herinandro ambony ny famoriam-bahoaka amin'ny toerana iray eto Antananarivo, hatrany am-piangonana, hisorohana ny fiparitahan'ny Covid-19.
♦ Mponina manodidina ny 800 no ahiana tsy hanankialofana sy hanana tany hambolena intsony any amin'ny fokontany Ambararatabe... ♦ Hiova endrika ny fanatanterahana ireo fombafomba fanao mandritra ny fanosorana ny lavenona, hanokafana ny vanim-potoanan'ny karemy... ♦ Mitsipaka ny hampiharana ny andininy faha-25 amin'ny lalam-panorenana amerika, ny filoha lefitra Mike Pence...
♦ Olona efajato avy any atsimon'ny nosy no tonga tao Fianarantsoa, hila ravin'ahitra an-tany hafa, noho ny kere mihatra any amin'ny faritra misy azy... ♦ Nahemotra ho amin'ny 1 febroary 2021 ny fitsarana ilay raharaha volamena 73,5kg, tratra tany Afrika Atsimo... ♦ Olona iray alina miasa eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany, no hisitraka ny tetik'asa "Miatrika Covid", mandritra ny 12 volana...
Alarobia 13 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco